Soa ihany (Oully)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa nisy lohataona
Nandimby ny hirifiry
Soa fa ny maraina
No nandevona 'ty ali-mankadiry

Soa fa nisy mamy
Tanatin'ny mangidy
Soa fa ny tomany
No nanekeko ireny didy

Soa fa nisy fahendrena
Nanitsy ny hadalàna
Soa fa ny mody mena
No nampiratra ny volamena

Soa fa nisy ianao
Nisolo izay tsy izy
Soa fa ny fitiavanao
No hitaizana ireto ankizy

Soa ihany!



Paris, 14/02/2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1792 2
Hevitra mandeha
andriary ( 21/02/2005 14:14)
Soa ihany ianao nanoratra
Niaraka niombo-kevitra
Naneho ny tiako amboraka

Soa ianao nandray penina
Nanambara miharihary
Ny tiako ho tenenina!

Mankasitraka an'i o
Oully
Oully ( 21/02/2005 19:06)
andriary> mankasitraka!
toetra ( 09/04/2005 20:27)
Soa fa nisy ianao ry Oully
Manoratra mampiala voly
Mamboraka an'izay mihidy
Amin'ny teny sarobidy.

Soa fa tato ianao ry Oully
Mamafy "teny" an-tanimboly
Izay voaisy zezi-tany
Handrombona embona tsy lany.

Mirary soa,
Toetra RAJA
Oully ( 10/04/2005 20:45)
Soa nisy ianareo
Nahatonga ahy hamoaka feo
hoe misaotra, tena misaotra
ry Andriary sy Raja Toetra

(Andamioly)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 19/02/2005 16:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01