Tandrify sy sahaza - Oully
Misitery amiko ny fisianao any ho any
Vahotra ny saiko hamaritra avy hatrany
Ny aminao: Anarana, Fihaviana, Anton’asa
Ry silaka famenoko, voatendry sy voakasa
Angamba efa nifanatri-tava
Na vao sambany hihaona
Fa ny azo antoka mazava
Samy miandry ilay fotoana
Ho iray hono
Feno hevitra mifono :
... ny finoanao no indro irosoako
ny tanjonao no hanjary imasoako
ny fahombiazanao no ho dradraiko eran-tany
ny faharesenao no hampilatsaka ahy tomany
Ny aretinao hankarary ahy
Ny tanjakao hankahery ahy
Ny toetranao, ny fombanao, ny hevitrao ...
Hifanojo amin’ny ahy
Anisan’ireo fisedràna, isan’andro hihavao
Hitsaràna toe-panahy
Ho ianao no ivon’ny tontoloko
Sanatria tsy ny Mpahary no voasoloko
Nomeny isika hanisy lanja ny tantara
Indrindra ho dimbiasan’ireo fara
Ekeko sy ho tiako fa Anjara !
Malala.
Atolotro manokana an’i N.P.S.
Nîmes 05/07/2004
Hevitra mandeha
admin (14/07/2004 05:34:16)
bichette (15/07/2004 07:27:58)
oups ??? mifono mistery be mihitsy ....
nikopol (15/07/2004 09:49:30)
Hay ve mbola misy zany karazam-pitiavana izany!
Oully (28/07/2004 08:57:15)
N.P.S.
Namana iray nifanena tamiko tany atsimon'ny lafrantsa tany. Tsy io akory no anarany fa nandritra ny resaka rehetra nifanaovanay dia nifametaka an'io anaram-bositra io izahay, izay midika hoe: Nofim-Pitiavana Sisa. Araka ny tenin'i Nikopol mantsy dia toa tsy hita intsony ny karazam-pitiavana toy intony.
Raha sendra mandalo eto @serasera ity namana ity indrindra mamaky ity tononkalo ity dia mahafaly ahy ny manolotra azy ity manokana sy ho fahatsiarovana ny fiarahana rehetra.
Dia mahazoa izay "tandrify sy sahaza".
N.P.S.
bichette (12/04/2006 13:52:04)
nindramina ve inty tononkalo ity natao tao anatin'ilay site hoe ..... .org atsy ananona atsy ??? dia natao ho an'i "my baby" hono ..... hum !!!! aoka re marina e
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 13/07/2004
Mpamangy : 2669
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana