ANTSAN'NY TIA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSAN’NY TIA

Ranomaso sa fifaliana,
Ankaso sa hamamiana,
Tsy misy hamoizako Anao.

Volana baliaka sa orana mijotso,
Endrika sariaka sa hasina voaloto,
Tsy misy hanadinoako Anao.

Hazavàna maraina sa hariva feno aizina,
Fiadanan-tsaina sa fahoriana tsy azo laizina,
Tsy misy hampisaraka ahy Aminao.

Siokam-boronkely sa fidarabokin’ny onja,
Volana tantely sa olana mafonja,
Tsy misy handaozako Anao.

Hafanàna mahatamàna sa rivotra mifofo,
Fahasalamana sa faharotehan’ity nofo,
Tsy misy hampiala ahy Aminao.

PETAKASOA (Alarobia faha-28 aprily 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1872 1
Mpakafy: oracle
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/04/2010 18:00)
"Ny fitobakin'ny ela ve no andevona ny efa mijoro ?...
Ny fanadinoana tsy misy raha mbola tany koa ny tanay..."

Mankasitraka tokoa. Misaotra.
Zozoro ( 30/04/2010 18:04)
"Ny fitobakin'ny ela ve no andevona ny efa mijoro?...
Ny fanadinoana tsy misy raha mbola tany koa ny tany..."
kolesy ( 04/05/2010 12:41)
Moa ny ela fanadino?
Ry Aiko, hany tokana fitiavako
Fa ny androany koa banjino
Mbola tia anie aho rahavako.

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147