You are here: home > Vetso

Hafatra Paska - Petakasoa

Azo vakiana?

Hafatra Paska


Miarahaba antsika notahian'ny Avo;

nahatratra indray izao andro Paka.

Endrika mirana, fo ravo,

no aoka handraisana hampiorim-paka

ao anatintsika ilay Famonjena

natolotra ho fanafahana

amin'ny olana samihafa, sesehena

hita ho mila hahazo vahana

hampihemotra @ asa fanompoana

ary mety hamono tsikelikely ny finoana.

Koa mahereza, mandrosoa

araraoty ny andro azo hanaovantsoa

ho fiadanam-po eto an-tany

sy antoky ny toerana ho anao any andanitra any



Petakasoa ( 24/04/2011 à 9h20mn)



Hametraka hevitra

Midira aloha