You are here: home > Vetso

HAFATRA - Petakasoa

Azo vakiana?

HAFATRA

Nisy HAFATRA niantefa
Voaraiko ato ampo
Hokoloiko tsy hilefa
Ary tsy avelako ho lo

HAFATRA mahamirana
Amin’ny andro manjombona
Antoka ifikirana
Tsy ahatafa-torombina

HAFATRA mampiavosa
Ny fifaliana tsaroana
Izay atao toa misosa
Raha vao IZY no antsoina

Inona ary ilay HAFATRA ?
Raha azonao antsaina, lazao
Sady fy IZY no fatratra  :
“Aza adino fa izaho tia anao”

PETAKASOA

Alarobia 19 aogositra 2015

21:36


Hevitra mandeha

malagasy1 (26/08/2015 23:20:05)

Ilay HAFATRA mamy toa tantely
Tsy foy ho adino velively
HAFATRA tena tonga lafatra
Manova fiainana ho sambatra

PETAKASOA

Hametraka hevitra

Midira aloha