NOFINOFY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFINOFY

Satriko ianao ry Lanitra
Handrotsaka ny andonao maharitra
Hikolokolo ny fanantenana
Ao amponay efa mila ho hàna

Iriko ianao ry Volana
Hitondra tsiky hamaha olana
Hampitony ireo tomany
Noho ny fahoriana sesilany

Sitrako ianao ry Kintana
Handefa taratra hanasitrana,
Ireo marary miferin’aina
Rera-tena, rera-tsaina

Iangaviako ianao ry Masoandro
Hanome hafanana isan’andro
Ireo fitia mila hangatsiaka
Mitady hamela fo voatritra

NOFINOFIKO izany ho tanteraka
Hampitràka ireo reraka
NOFINOFIKO izany ho tontosa
Azahoana fifaliana miavosa


PETAKASOA (Alahady faha-29 aogositra 2010)
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/petakasoa/nofinofy
1753 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/08/2010 19:44)
"...Na volana na kintana no sitrakao ho azo
Ho solom-boninkazo
Dia satriko rombotana ihintsana avy hatrany
iraraka aman-tany..."
petakasoa ( 03/09/2010 22:00)
Misaotra anao aho Ra-zozoro
Mampitraka ny fo torotoro
Mandravina ny saina misavorovoro
Manohana ny nofinofy tsy hikoro




Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3859