You are here: home > Vetso

NY FOKO VE NO ... - Petakasoa

NY FOKO VE NO….

Ny foko ve no adala
Mitia olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hahalala
Fa satry hanana olo-malala

Ny foko ve no  leo manirery
Miantsampy amin’ny olo-mandalo
Sa izaho no ninia tsy hijery
F’io fitia io hamela fery

Sa ny foko kosa manantena
Fa ho anjarany ity olo-mandalo
Ka itsy farany no hanao fanekena :
“Ianao no tiako” ary “ fitia tsy noterena”

PETAKASOA
Alakamisy  27 aogositra 2015     00:15











Hametraka hevitra

Midira aloha