You are here: home > Vetso

HAY VE - Petakasoa

Azo vakiana?

Hay isika,
Ilay nisara-toerana iny
Tsy nifanalavitra tsy akory
Fa samy nitahiry fitia tsy voatory
Nampiray ny fo,
Mandrak’ankehitriny.

Hay isika,
Ilay tsy nifankahita hatry ny ela
Tsy nifanalavitra tsy akory
Fa samy nikolo ilay fitia natory
Tanaty fo, mbola nanantena
Ny hihiratany indray maraina

Hay isika,
Ilay samy nangingina
Tsy nifanadino tsy akory
Fa toa voahirana anaty kamory
Nisitraka ny lasa, niandrandra ny lanitra
Mba hanolorany fihaonana
Hamoahana izay tao ampo tsy aritra




Petakasoa
25/07/2015          15 : 52

Hametraka hevitra

Midira aloha