You are here: home > Vetso

NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY - Petakasoa

Azo vakiana?

NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY


NY  ZANAKA, ny zanaka
Nomen’Ny Avo ho taranaka
Napetrany eo ampelatanana
Hokoloina, ho tohanana
Koa mangataka aho ry Ray
Ho an’ny Raiamandreny tsirairay
Omeo toetra mendrika
Hitaizaina ireo tsy ho rendrika



NY RAIAMANDRENY,
Nomen’ny Avo ho toavin-teny
Fitarainana  sy Fanalahidy
Ka tolo-janahary sarobidy
Koa mangataka aho Ray
Ho an’ny zanaka tsirairay
Omeo  fahendrena tsara
Hanajàna ireo Vy Nahitàna




PETAKASOA (faha-19 jona 2010)










Hametraka hevitra

Midira aloha