Ho Anao (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO,

Ray ô, ho anao ity tononkalo ity,
Fa ravo aho novokisanao fitia,
Tsy mba navelanao ho irery,
Ity foko naratra feno fery.

Noharianao aho mba ho tretrika,
Nifikitra tamin'ny ota anefa ka rendrika,
Teo foana Ianao nanolo-tanana,
Nanonona ho ahy ny "fahafahana".

Ray ô,ny adintsaina nitambesatra,
Noho ny fiainana mahaketraka,
Nesorinao tsy nisy fetra,
Nisinda ny olana rehetra.

Ny aretin’ny nofo he fa sitrana,
Maina ny toloko , ny fo afa-bizana,
Ny fanaintainana indro nitsahatra,
Avotra aho ka olon-tsambatra.

Ray ô, ho anao ity tononkalo ity,
Ravo aho novokisanao fitia,
Hitory aho fa Tsara Ianao
Dia ilay Ray nahary izao tontolo izao

PETAKASOA
(Alahady faha-25 aprily 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1365 0
Hevitra mandeha
nannie ( 26/04/2010 09:23)
Ny tena mahafinaritra ahy amin'ity tononkalo ity dia ilay mpanoratra mahatsiaro misaotra an'Andriamanitra amin'ny fotoana fifaliana koa fa tsy amin'ny fahoriana ihany.

Misaotra e !
petakasoa ( 22/06/2010 07:31)
Misaotra sy mankasitraka anao nametraka hevitra ihany koa.

Raha mamangy ra-fahoriana
Ao ny Tompo itokiana
Hitondra fitsaharana
Hanome fahasambarana

Dia raha tonga Ra-fifaliana
Ahoana moa no hangina
Fa tsy hisaotra Ilay Nanolotra
Nihaviany ary Fototra
nannie ( 24/06/2010 13:07)
Mankasitraka indrindra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105