NY FITIAVAN'I NENY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAN’I NENY

Fitiavana madio mangalahala
Lehibe sy tsy manan-tsahala
Ny fitiavanao ry Neny

Fitiavana mamy toy ny tantely
Omen’ilay miendrika anjely
Dia tsy iza fa ianao ry Neny

Fitiavana sarotra adinoina
Sarobidy ka tsy mba foina
Ny fitiavanao ry Neny

Fitiavana lehibe mihoatra ny tontolo
Tafalatsa-paka anaty tsy mba voasolo
No atolotrao anay zanakao ry Neny

PETAKASOA (2 jona 2010)
--------
Rohy:
2564 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114