You are here: home > Vetso

NY HAMBOM-PO - Petakasoa

Azo vakiana?

NY HAMBOM-PO

Ny hambom-po  azo ampandeferina
Raha tsapa fa tsy hahasoa
Ny nenina mantsy tsy laitra afenina
Raha sendra  misy mahavoa

Ny hambom-po raha “tsy diso toerana”
Ilaina hahavitàna izay kinasa
Aleo  izy hivoaka, aza ferana
Fandrao mivadika ho latsa

Fehiny,
Ny hambom-po tsara dinihina
Hanampy hery sa hamotraka
Hitondra hafanana sa ririnina
Hahalavo sa hahatsara vokatra

PETAKASOA (Talata faha-04 mey 2010)






Sokajy : fananarana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha