RAHA TOA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA

Raha toa ianao ka nitsikin’ny vintana,
Tretrika fa nampihantain’ny anjara,
Ny aretina rehetra nandalo, sitrana,
Izay atao isan’andro mandeha tsara,
Aza adino ny mankasitraka Ilay Nanome, sy misaotra,
Mba hitsinjovanao ny fiainanao rehefa any ankoatra.

Raha toa kosa ianao nandosiran’ny mazava,
Tsy mba nahita firy itony volana tomaratra,
Fa izay atomboka rehetra, eo no eo dia rava,
Ianjadian’ny ora-mikija, izay arahim-baratra,
Mahereza miaripery, ho avy ihany ilay masoandro
Mifikira amin’i Jeso, mivavaha mafy isan’andro.

Raha toa ianao miahotra, misy Andriamanitra sa tsia,
Andramo fotsiny ihany, tsy ela ianao dia ho raiki-pitia,
Ny miaraka Aminy ve? Toky hatrany, mahamirana ny saina
Ka mahatsiaro Azy foana, atoandro, hariva sy maraina.

Midera anao aho Tompo,” hitako ny lalantsara ka hizorako”,
Tsy omby tratra ny hafaliako ka indro avoakako, aborako.

PETAKASOA (Talata faha-27 aprily 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1429 2
Mpakafy: malagasy1 - oracle
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144