TSO-DRANO (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSO-DRANO

Lasa ihany ilay malalako,
Nofihiniko nefa tsy tanako,
Fa izy manana ny elany,
Ka te-hizaha ny any ivelany.

Nandao ahy ilay olon-tiako,
Notoaviko sy nokajiako,
Fa izy manana ny sitrapony,
Hiova tiana, hiova vony.

Lavitra ahy ny mamin’ny foko,
Ilay notiaviko sy nokoloiko,
Fa izy manana ny sainy,
Hahatontosa izay ilainy.

Namela ahy ilay nantenaiko
hoe : Mandra-pialam-pofon’aiko,
Izy no efa voafidy,
Kanjo nahitako ny mangidy.

Ferako ny foko tsy hitroatra,
Ny masoko tsy hanganohano,
Tsy hanozona aho fa hisaotra,
Ary mbola hitso-drano :
“MAHAZOA NY SOA, TSY HAHITA ANGANO”

PETAKASOA ( Faha-7 mey 2010)
--------
Rohy:
2105 1
Mpakafy: malagasy1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0717