TSY HITSAHATRA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITSAHATRA

Tsy hitsahatra hidera Anao izato foko,
Dia ianao ry Andriamanitra izay inoako,
Fa tao anatin’ny mangidy no nisy ny mamy
Tao anatin’ny fahoriako no indro Ianao fa tamy.

“Mandondona aho ka mba vohay”, hoy Ianao,
“Izaho Ilay itokio hitondra fiainam-baovao”,
Resy lahatra avy hatrany ty foko efa sasatra,
F’Izao vonjy izao no efa mba niriako fatratra.

Tsy diso fiantefa intsony 'ty fanantenako,
Lazao, hoy Ianao, fa ny olanao ho vahàko,
Fa izao Ilay hany Andriamanitra Fitiavana,
Mihaino ny rehetra fa tsy mba manavangavana.

Tsy hitsahatra hihoby Anao ny fanahiko,
Fa Ianao ilay nahavoky soa ny vavako,
Raha ory aho, eo Ianao manohana ahy,
Raha faly kosa, Hianao no nitahy.

Eny, tsy hitsahatra aho hitory ny hatsaranao ,
Ambarako eto izany, ho ren’izao tontolo izao.

PETAKASOA (Talata faha-27 aprily 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096