Ampy ahy (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavanao ahy tsy miangatra
tsy misy raorao sy fitaka
no mahatonga ahy haka taranaka
tsy hivezivezy aho tsy hirenireny fa hifikitra

Ampy ahy ilay fitiavanao omaly
izay miazona ahy ho eto rahateo
ahafahako mandinika sy maminany
ny ampitso sy ny ho avy eo

Ireo zava-bitanao tamiko fahiny
sy ny ankehitriny no porofo manambara
ahafahako milaza ampy ahy izy iny
toa zary manantena ny tohin'ny tantara

Ampy ahy ny fisianao mivantana
handravaka sy hanaingo ny fiainako
hampahery ahy sy hitantana
ity 'zaho efa feno anao hatramin'ny fisainako
--------
Rohy:
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 02/09/2024 13:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853