Anjarako (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no hany tokana anjarako
handravaka sy hanaingo ny tantarako
ianao no hany fanantenana
hitondra hafaliana sy hazavana

Anjarako ianao izay no tadidio
ny fitiavako anao mba akajio
ao am-ponao mandrakizay
satria isika efa roa no iray

Anjarako ianao izay no andrandraina
f'ianao no manome hery sy aina
hamelona ny foko torotoro
hampatanjaka ahy sy hampijoro

Anjarako ianao fa aza manahy
efa feno anao ny fo sy fanahy
tsy hitady olon-kafa intsony
efa anao aho ka mitony
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 02/08/2024 10:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139