Feno anao (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno anao ka tsy hay atao
ny ato am-poko sy ny saiko
efa anao aho ka anjakao
ny fitiavanao no ilaiko

Henika anao ny fiainako tontolo
Fantatro fa ianao no mahay mandrindra
ny fitempon'ny foko manontolo
voafefinao ilay fitiavana ka toa zary tsy hay afindra

Henika anao aho ka feno hery
miramirana sy lavorary
niraisinao antanan-droa ka tsy very
tafaharina ilay fiainako tsizarizary

Feno anao aho ka mionona
amin'ilay fitiavanao mafonja
tsy hisalasala intsony f'efa vonona
hamakivaky fiainana manonja
--------
Rohy:
35 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 17/09/2024 13:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158