Gasy iray (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy iray no tsy manavaka fokozana-tany tsy mba mitsitokotoko
mitandro ny fihavanana hatrany
firaisankina no tanjona amin'izany
Gasy iray no meva sy tsara
izy ihany no mahakarakara
ny hoavin'ny taranaka afara-mandimby
manome azy fahalalana tsy voavidy
Gasy iray no soa tarigetra
hampitsahatra ny ady sy ny herisetra
hampandroso ity gasikara
hamolavola sy hanakanto ny tantara
Gasy iray izay tia fandrosoana
isika izay manam-pinoana
hatambaro ny hery haroso ny dia
hanandratra avo ity nosintsika ity
--------
Rohy: