Safidy (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny safidy dia malalaka
raha hitady olon-tiana ianao
mahaiza tsara ny manavaka
f'izay no anjaranao

Notsongaina ianao tao anatin'ny maro
f'ianao no tena meva sy kanto
tsy zaraina tsy atakalo fa mahasaro-piaro
tavela aminao aho ka tsy handranto

Nofantenako ianao ka ho tiaviko
mandritry ny androko rehetra
anjarako ianao ka tsy ho laviko
hitondra ilay fitiavako tsy hanam-petra

Hajaiko ianao fa safidy
manjaka ao am-poko rahateo
ekeko mibaiko ekeko mandidy
tompo tompoiko tsy ankaleo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 16/08/2024 10:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2625