Tsy takona afenina (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy takona afenina hatrizay
ny afom-pitiavana tato am-poko
mahazo vahana mahamay
mitombo hery tsy miova loko

Tsy takona afenina tokoa
raha ny alahelo anao
manindry ny fanahy sy ny fo
rehefa iny ianao nandao

Tsy takona afenina marina
ny olona iray rehefa tia
mirediredy tsy saro-patarina
fony isika niara-dia

Tsy takona afenina velively
raha ny hafaliana ao anatiko ao
feno soa rakotra tantely
rehefa injay aho eo anilanao
--------
Rohy:
48 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 30/09/2024 11:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.164