Adala hoy aho (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala hoy aho

Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.

Adala tsy ho sitrana,
... Sa adala manam-bintana ?
Fa ny rano mikoriana
Eny andohasaha eny
Heveriny ho miteny !
Fa ny tena mahasondriana
Dia mpitondra hafany hono
Iry volana eny ambony.

Adala mora jemby,
... Sa adala very remby ?
F'iry tendrombohitra aza
Tiany atao ampihimamba !
Raha azony natao angamba
Efa novidiany, ho azy ;
Fa eny hono mety ho tazany
I Gasikara tanindrazany.

Adala hoy aho ny manina.

Pissoa (27 Janoary 2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1509 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 29/01/2008 13:17)
tsara loatra mankasitraka anao, mitombò aingam-panahy...
pissoa ( 30/01/2008 17:05)
Misaotra indrindra Malalason a.
sazykely ( 15/02/2008 08:05)
adala aho izany amin'ise e
pissoa ( 08/03/2008 20:12)
k'hita koa hi hi hi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 27/01/2008 19:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0503