Aleo Hiteny Fa ... - Pissoa
Azo vakiana?
Aleo hiteny fa ...
Na ny lasa haparitany
Mba hanosoram-potaka ;
Na ho zary fitanisany
Irony andro nahapotraka !
Na ny toetra no hofosainy,
Na tsiambaretelo haborany !
Na inona ho lazainy,
Amin'ny lainga tsy totorany ;
Na inona hangoniny
Hanamaloka ny anio,
Na ny tsisy aza hoforoniny !
Dia izao no tadidio :
Ny lasa tsy azo ovaina
Fa mipetraka ho tantara !
Fa ny ho avy indray kojaina
Mba ho hafa fiafara.
Pissoa
Hevitra mandeha
hery (13/02/2007 09:35:57)
http://hery.blaogy.com/post/4/2546 ny hevitro :-)
pissoa (14/02/2007 07:01:03)
Hita ilay hevitra fa misaotra :)
Malalason (19/06/2007 10:52:43)
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 12/02/2007
Mpamangy : 1397
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Izy ilay DadaSahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro