Aloka (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana
No tonga manenika, mahatorovana
Ny akon'ny lasa niravoravoana ?

Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio
Handrava ny embona mbola miritsoka ?
Sa nahery loatra ka zary tadio,
Nampisafoto ny hani-nanditsoka ?

Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana,
Sa ny fo tsy nandairan'ny "fampandry adrisa"
No injao fa mitroatra, mandika lalàna ?

...

Ny embona nefa : tandindona izany,
"Aloka" ihany raha hita ho namana.
Ny fiainana kosa mihodina hatrany
Ka "aloka" ve no 'ndeha hiantsapazana ?
--------
Rohy:
Sokajy : embona
2633 3
Mpakafy: haraldtohaina - sazykely - hery
Hevitra mandeha
tonnyy ( 11/11/2007 18:02)
diso maloka loatra ty zaavatra resahanao ka takona ny mpamaky e
Ryana ( 14/11/2007 20:38)
Mankasitraka Pissoa â!
Nisy soratsoratro mitovy lohateny amin'ny anao io:

ALOKA

Izaho angaha no adala, mandreraka ny saiko,
Aloka miserana ka hita ho antenaina...
Izaho no tonantonana, mamizana ny aiko,
Vorona mandalo ka hita ho andrandraina!

Izaho no reraky ny ankaso sy tomany,
Sendra izato lalany indray andro izay,
Tsy nila fandalinana fa dia tia avy hatrany,
Hay moa aloka izy : miserana dia izay!

Mbola minia mikimpy, miandry, manantena,
Tsy mba mety sasatra, isan'andro vaky,
Mitazana, manafatra, miangavy sesehena,
Ny alahelo azo... mila tsy ho tanty!

Mba miezaka ihany mampionona ity fo,
Satria fantatro mazava f'izy iny tsy ho ahy...
Nefa izay tia tokoa adala, atao ahoana moa,
Dia zary varimbariny, verivery fanahy...

Ny fotoana no antenaiko hitondra fanasitranana,
Hampionona ny foko, hanazava indray ny saiko;
Fa raha ny anio aloha... mafaitra sy manganana,
Tompo ô, vonjeo! latsaka lalina ity aiko!

Ryana
(25/07/03)
pissoa ( 29/11/2007 19:30)
Mankasitraka hatrany Ryana !
toetra ( 20/02/2008 17:25)
Tsara
pissoa ( 20/02/2008 17:51)
Misaotra indrindra toetra amin'yn fanitsiana nentinao a. Mankasitraka hatrany.
pato ( 10/04/2008 14:08)
miaiky anao aho pissoa a rahoviana aho vao ohatranao
Malalason ( 25/07/2008 13:16)
Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana

mora hita kely ny lapan'ny fanadinoana sy ny akanin'ny fanadinoana ...saingy sarotra ravana sy sarotra roahana satria samy mitoetra ao am-po izy roa ireo ra ny fahitako azy ok bye
tsara
Rajordri ( 20/12/2008 13:08)
Tsiniako no sady ekeko satria ny fahatsiarovana tsy manana akany ary ny fanadinoana tsy manana lapa, ka hoy aho aminao: tadidinao ve i Rado raha nilaza hoe:"tiako ianao no halako fa mangidy koa ny mamiko"
raozigasy ( 28/03/2009 23:50)
Raha azoko natao
Hoe mialà ianao
Ry aloka mandindona

Raha azoko bahanana
Natosi-boho-tanana
Ianao ry aloka tsy handindona

Dia nataoko izany

Kanefa moa tsy mety
Na dia vetivety
K’aleoko dia mangina

Ka ny hany fiangaviako
Sady faniriako
Izaho aza ampijaliana

Raha mbola eto an-tany
pissoa ( 28/04/2009 11:49)
Mankasitraka Raozigasy !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 10/11/2007 14:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138