Ampy Izay (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy Izay

Na tsy tsaroanao maloka aza ny endriko fa nisariaka,
Ary tsy nanganohano ny masoko fa nibaliaka ...
Tsy sanatria tsy nisy akory ny alahelo sy hirifiry
Fony kivinao ambony ilay fitiavako nikiry.

Na ilay tsikiko isan'andro aza no taratrao teo imolotro,
Ary teny nitsodrano no tadidinao natolotro
Dia ny peniko nahalala fa ny tao anatiko aza triatra,
Fa resin'ny hetraketrakao ilay fitiavako naditra.

...

Ka tonga eto ianao androany, dia hoe hilela-pala-dia ?
Dia milokaloka indray fa «tena tia, ho doria»
Na mety ho fahasambarako aza ny hotantananao indray
Dia teny tsotra ny ahy ry tiako : ampy tena ampy izay.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1991 2
Mpakafy: tsikikely - vola86
Hevitra mandeha
Malalason ( 20/09/2007 12:14)
m'lay e ...
tsikikely ( 23/09/2007 13:46)
tsara be
la ( 25/09/2007 07:43)
Tsara e!! tsara
pissoa ( 28/09/2007 08:24)
Mankasitraka ny mpamaky :)
sergent ( 15/10/2007 12:46)
"Ampy izay" fanapahan-kevitra mifono misitery, mbola tia fa tsy mahay mamela,tsy omeko tsiny anefa satria iaraha mahalala fa mafy le voadona, tsara fa tohizo, ampitomboy ny finoana!
pissoa ( 19/10/2007 15:20)
Hi hi hi !

nikopol ( 30/11/2007 15:42)
raha le faladiha vakivaky iny hono no voalelaka mety misy mahatsara azy
tsykivy ( 12/03/2008 12:47)
milay ka misy ho sainina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 18/09/2007 21:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146