Andraso kely (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andraso kely

Ry volako mazava, na toa takonan-drahona
Raha mba tsinjonao ity vetsovetsom-poko
Voatemitra tantely nifangaro tamim-bahona,
Raha toa mba taratrao ity tsiky mitoloko

Dia andraso kely aloha !

Aza maika hisinda, handao ny tafon-tranoko,
Aza avelanao hanafotra ahy ny alina ;
Raha lasa mantsy ianao, ndrao ho hitako ny anganoko
Fa haizina no hodiavina, ny hantsana eto lalina.

Andraso kely hoy aho !

...

Tsy andraso kely mantsy e ! andraso be mihitsy ;
Raha azonao atao aza, mijanòna ho doria
Fa mitombo ny horhoro, ny jiroko mihavitsy ;
Nefa raha handeha ianao, ... Veloma, soava dia.

Veloma hoy aho !

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1428 0
Hevitra mandeha
Mahefakely ( 04/09/2007 07:39)
Tena sondriana aho namaky ireo tononkalonao misaotra betsaka fa tena kanto
pissoa ( 14/09/2007 09:52)
Misaotra !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 03/09/2007 23:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138