You are here: home > Vetso

Any i Neny - Pissoa

Azo vakiana?

Any i Neny

Ilay volana tomaratra
Sahy mamakivaky haizina
No hahatsiarovako anao.
Neny, raisiko ho fitaratra
Ilay finiavana tsy azo faizina,
Sy ny fikirizanao.

Ireo voninkazo an-jaridaina
Izay mamelana sy manitra
No hanembonako anao.
Neny, hatramin'ny vao maraina
No manao izay hahafinaritra
Sy hahasoa ity zanakao.

Ireo vorona mikalo,
Manandratra hira fihobiana
No indreo fa mampatsiahy anao.
Neny, tsy mba manam-pahavalo,
Tsy leo mitondra hafaliana
Ao an-tokantranonao.

Nefa ireny vorona mandalo,
Ireto voninkazo ho maina,
Ary iny volana iny handao.
Neny, Izaho tsy hitsahatra hikalo
Fa tsy mba afaka ato an-tsaina
Ilay teny fiantsoako anao ...

Neny!

Pissoa (25 Mai 2006)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 26/05/2006
Mpamangy : 1364
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Sahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko