Asakasakao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asakasakao fa ...

Ilay Eny izay nomeny
Sy averiny ombieny;
Dia Eny, fanekeny
Fa ianao no tena hareny.

Tsy ilay Eny ambetin-tenin'
Ny mpamitaka izy ireny;
Na hoe Eny notereny
Mba ho to izay nokendreny;

Fa tena Eny,
Ilay Eny-n'
Ny fitiavan-dehibeny.

Ka asakasakao raha ...

Hiandry ny fitiavany
Ho tankina sy ritra,
Vao hiangavy ny finiavany;

Na hanidy izato fony
Efa reraky ny ditra
Ka tsy te hitia intsony;

Na hitondra hafaliana,
Tsy hamela azy hipitra
Fa mba manana olon-tiana.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1360 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 11/03/2006 14:20)
Misy hevitra ratovina
Misy zavatra tovozina
Ary noho ianao Poeta
Dia misy foana ny hetaheta!

Tsara be rise ah!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 24/02/2006 17:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143