Bitsika (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Bitsika

Efa hariva angaha ny andro no mangina ny tontolo ?
Sa ny amiko rehetra no manadino tsotra izao
Ny ranomasina midoboka, ny lohataona tsara volo
Fa sondriana, lasa lavitra, manimanina anao ?

Efa tena akaiky angaha ilay paradisa andrandraina
No milanto, maharavo izay rehetra andrian'ny maso ?
Sa ilay fitiavanao no mamonto fo sy saina
Ka nahasahy ny fijeriko manao 'z'inona ny ankaso ?

Efa ety an-tany angaha no fonenan'ny anjely
No hafaliana tsisy tambiny no atolotry ny voary ?
Sa ny fitiavana anao mibitaka ato am-poko kely
No manesika ahy hitsiky f'efa te hiharihary ?

Injay mibitsika ahy ny foko, izy hono mahalala.

(Indray maraina izay ...)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1668 1
Mpakafy: mangamaso
Hevitra mandeha
Ryana ( 08/12/2008 16:30)
manja ê!
Ryana
Zozoro ( 13/12/2008 21:56)
Ankafiziko
Zozoro
pissoa ( 02/01/2009 11:43)
Mankasitraka ny mpamaky !
Malita ( 08/10/2009 07:05)
tsy ho reraka mintsy ny hilaza, fa tsara tena tsara
mangamaso ( 08/10/2009 19:09)
Tiako be koa izy ity :)
maeva74 ( 09/10/2009 08:02)
Kanto dia kanto e!

Misaotra an'i Pissoa
maeva74
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 08/12/2008 13:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142