Dieny Izao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dieny izao

Dieny izao ianao ry aiko,
Ry firesako isan'andro
Na mbola tsy hitako eto imaso :
Tsy fiangaviana ity fa baiko,
Mivonona ianao hitandro
Fa ny tany mantsy ankaso !

Dia alaivo amin'i Neny
Izay rehetra mety ho ilaina ;
Mihetseha ianao, mba kinga.
Angalao daholo ireny
Herim-po sy herin-tsaina
Ho sabatrao sy ho apinga.

Ny fahazotoana, fahasahiana
Na be na kely no ananako,
Dia angalao fa aza miahotra !
Nefa aokanao ny fahakiviana
Aleo ireny no ho tanako,
Dia avelao koa ny tahotra.

Fa rehefa "eto" mantsy ianao,
Angamba dimy taona ihany
No tena higoka fahasambarana.
Fa n'inona n'inona atao,
Na aiza n'aiza eto an-tany
Dia "ady" tsisy fitsaharana.

Tsy misy ho azonao mora,
Na fahaizana na asa
Na fitiavana na fahendrena !
Fa iadivana isan'ora
Ka mba ho to izay kinasa
Dia atao izay handresena.

Pissoa
--------
Rohy:
1557 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 05/02/2007 08:50)
mitovy aminao daholo ny tononkalonao ...
pissoa ( 05/02/2007 19:11)
Hihihi - tsy azoko.

Fa ahoana ilay "Izaho" ?
Malalason ( 06/02/2007 14:16)
maha te ho tia raha tsorina ary e! azo am'zayi?
winner ( 02/10/2007 20:58)
Tsy ratsy ilay baiko an. Raha vonona mialoha mantsy hono ny olona iray de mitombo avo roa heny ny heriny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 06/01/2007 07:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178