Diniho ny fiainany (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diniho ny fiainany

Misy fofom-boninkazo henonao nanentoento
Saingy sompatra ny rivotra fa tsy mamela hankafy.

Misy felana nirenty namoizanao ny sento
Saingy fohy ny fotoana namiratany tety.

Misy tsiky iray tinady raha vao mangiran-dratsy
Saingy zary nofy ihany hatramin'ny misasak'alina

Misy amboaram-pahendrana mba katsahinao ho vatsy
Saingy tsy ampy ny herinao hanakatra ny hevi-daliny.

Misy hafatra navela mba ho sori-piainanao
Misy toerana mba tiany hahitana anao mifaly.

Nefa izy tsy miteny, tsy mba nanoratra k'izao :
Diniho ny fiainany fa ao ny faniriany no voakaly.

Pissoa

(Fototra : Misy fofona gitara)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fahafatesana
1549 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 30/10/2007 20:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144