Fantatrao fa nisy (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatrao fa nisy


Fantatrao fa nisy fitia naniry handrobona
Hanome hanitra ny fonao zary hefitra.
Fantatrao fa nisy fanahy naniry hiombona
amin'ny fanahinao : handidy sady handefitra.

Fantatrao fa nisy maso tsy niery
Nanjohy anao tanaty jery lalindalina.
Fantatrao fa nisy fo manirery
Nitempo ho anao maraina, nisento nony alina.

Fantatrao fa nisy tanana nitsotra
Naniry hofikirin'ny tananao, hiampify.
Fantatrao koa fa nisy ihany zotra
Te hampiray fa saingy navelanao nidify.

Fantatrao tsara ianao fa mitahiry
Fitia maniry ho azy, mandrehitra isan'andro
Fantatrao koa ilay tsikinao mikiry ...
Nahoana no sakanana tsy hahita masoandro.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1278 2
Hevitra mandeha
katiaa ( 19/05/2007 07:57)
tsara :-)
nikopol ( 21/05/2007 11:32)
raha fantany fa ho may ve ny trano tsy mba navoakany ny harmonia ry pissoa ?

nikopol ( 21/05/2007 11:33)
omeko 5 an
pissoa ( 21/05/2007 19:56)
Katia : misaotra !

Niko : ka tsy navoakany ary koa, hi hi hi !
Misaotra e :)
Malalason ( 19/06/2007 10:46)
fantany ihany fa nisy izany rehetra izany kanefa nodiany tsy jerena...angamba
andrea ( 02/07/2007 20:52)
20/20...
winner ( 18/09/2007 22:24)
Oadray ry Pissoa.
Tena za ange zany lazainao @ tonokalo zany e.
Ny hevitro de hoe misy antony ao ka aza omena tsiny
pissoa ( 30/09/2007 12:55)
winner, hi hi - mbola manontany fotsiny io fa mbola tsy manome tsiny ka :-P
winner ( 02/10/2007 20:01)
Ouff! marina ny anao, ny ahy ny valiny no lasa aloha.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 18/05/2007 22:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103