Fetiny Androany (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra ory
Sy fanahy ngolingoly
No hany niantsapazany -
Fa lavitra, tsy tazany,
Tsy hitany ho banjinina,
Tsy takany ho fihinina
Ilay tiany - tonga fety.
Hany heriny ? Nangina vetivety,
Nisento ... "Any izy izay !"
Niandrandra ilay Ray
Dia nanomboka nivavaka.
Notononiny niavaka
Ary tena niangaviany :
"Any iny namako iny !
Ray ô, fetiny androany
Ka aoka ho sesilany
Ny fitsimbinanao.
Raha toa ka azo atao
Dia ampio izy hikolo
Ny hoavy manontolo.
Aoka ho feno ny hasambarany !
Ray ô ! ... Fantatrao ny anarany."
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
2461 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 28/11/2006 08:40)
sambatra izy, fa na ny Ray aza efa mahalala azy nialoha.
izaho koa mirary fety sambatra ho azy s'ilay namany...
pissoa ( 29/11/2006 17:30)
Mankasitraka
tsykivy ( 12/03/2008 12:42)
tsara le izy fa alefako hoan'ny olon-tiako io izao @ anniversaireny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 27/11/2006 20:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149