Fireneko (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo o, apetrako eo an-tananao
Ny Fireneko.
Fa io no Reny niaviako,
Io no Reny mbola hodiako,
Io no Reny fiereko.

'Zahay zanany isan'andro ampionao
Ho loha-laharana.
Mba ho zanaka miarina.
Mba ho zanaka mpanarina,
Sy hery azony hifaharana.

Ireo mpitondra hitalahoako aminao
Hanao ny rariny.
Tsy ho mpitondra tia tena,
Fa hitondra am-pahendrena,
Ka hitandro hatrany ny hasiny.

Ny taranany ry Ray tsimbinonao,
Ireo no ho aviny.
Ho taranaka fanilo,
Ho taranaka matsilo,
Ka hanandratra ny soatoaviny.

Pissoa (21 Jiona 2005)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1468 1
Mpakafy: pissoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 23/06/2005 20:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014