Ho an'i Madagasikara (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Madagasikara

Ny asa ataonao isan'andro sy hikelezanao aina,
Ny fandraisanao andraikitra mba ho to izay nokasaina;
Na tsy voasoratra any ho any aza ny fandraisanao anjara,
Dia soa mipetraka izy ireny ho an'i Madagasikara.

Ilay fahazotoanao manampy, tsy mba hita miandriandry,
Na ara-bola na koa vavaka, na hevitra na herin-tsandry;
Na tsy nivoaka an-gazety aza, na tsy mba misy mitantara,
Dia soa mipetraka izy ireny ho an'i Madagasikara.

Ilay tsikitsiky atolotrao ho an'ny Gasy tsy ankanavaka,
Ilay tsy mijery fiaviana, na finoana, na firavaka;
Na tsy misy miantsoantso aza fa ny toetranao no tena tsara,
Dia soa mipetraka izy ireny ho an'i Madagasikara.

Ka raha misy any ho any, milaza ho tia ny tanindrazany,
Nefa mbola tia tena, ka izay mamiratra giazany;
Dia tsy toa anao izy ireny, na tsy izaho aza no mpitsara,
... Tsy mba nisy soa napetrany ho an'i Madagasikara.

Pissoa (02 Jiona 2006)
--------
Rohy:
2168 3
Hevitra mandeha
TsongYong ( 09/06/2006 17:59)
Bravo!! tsara le izy an! azo lazaina hoe voafehina tsara ny teny Malagasy saingy amin'ny maha tonokalo azy dia heveriko fa hanampy anao io toromarika io. Eo amin'ny lafiny mahakanto azy indary dia mbola hita taratra ny maha zazavao anao satria toa zara raha mifanadrify ndraindray ny votoantin'ilay tonokalo. Ataoko fa ho lasa lavitra ianao satria miezaka mamorona talenta fa tsy nandevina ny efa tao. Misaotra dia mazotoa hatrany mamorona. Bye!!!!
pissoa ( 18/06/2006 09:12)
Misaotra anao nandalo teto. Dia misaotra amin'ny torohevitra be dia be tany anaty hafatra ;)
bitaka ( 06/09/2006 11:11)
fa tsong yong ve sinoa efa nipetraka ela teto dago no toa mahay teny gasy tsara?
tsara fa toizo
ombre ( 09/12/2006 04:27)
heveriko fa hoe hanoratra ttsy ho an'i Madagasikara pissoa,hi,hi,hi, tsara kah;tena ainga voajanahary,tohizo hatrany ny ezaka efa vita,mampahery mandrakariva.
pissoa ( 21/12/2006 18:59)
ombre, hihihi.

Mankasitraka bitaka sy ombre.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 06/06/2006 08:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108