You are here: home > Vetso

Ho an'i Neny - Pissoa

Azo vakiana?

Ho an'i Neny

Noho fetinao ry Neny
No andrariako eto izao;
Soratra sy andalan-teny
Entiko hiarahabana anao.

Ry Neny tia tsy misy fitaka
Na mety tezitra, mangarika.
Ry Neny mbola nampibitaka
Raha kivy sy mivaloharika.

Ry Neny miezaka mamita
Ny adidinao tsy azo tokonana.
Milofo mafy hahatafita
Ny zanaka sy ny ankohonana.

Eny, fantatro ry Neny
Fa sarobidy loatra ianao;
Tsy ho ampy akory raha izay teny
No hoentiko hiarahabana anao.

Ka ny vavaka ho anao
No hanehoako ny arahabako;
Ho ela velona ianao
Ry Neny tiako sy fibadako.

Pissoa (26 Mai 2006)

Hevitra mandeha

hery (28/05/2006 07:23:31)

Waow... tiako be

pissoa (29/05/2006 08:45:52)

Hihihi, tiako be kou (oops)

Misaotra e.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 26/05/2006
Mpamangy : 6196
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Sahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko