You are here: home > Vetso

Ho fetin'i Neny - Pissoa

Azo vakiana?



Ho fetin'i Neny

Neny ô !

Androany ihany ony
no natao ho fetinao ?
Androany monja !
Nefa anie ka ny onja
mafy resinao
no tena mampitony.

Fa iza moa no niaritra
ny feoko raha nikiaka ?
ny ditra sy tomany
raha tsy ianao ihany !
Ny sasany aza moa mipiaka
helika ... Finaritra !

Ry Neny tokako eto an-tany,
Ry volako baliaka,
Izao no tarigetra :
Ny andro sisa rehetra
mbola iharahantsika
Dia ho fetinao hatrany.

Pissoa

Sokajy : Fety

Hevitra mandeha

wooda (03/06/2007 07:12:10)

clap clap pissoa!
tsara!

vale (03/06/2007 07:54:21)

tsarakely akia pissoa ah, bizzs njy ah!

tisera (03/06/2007 12:04:38)

bisous sy pao-tsakotra akia ry pissoa fa tena manohana mihintsy ilay izy an! isa dimy aloha fa mbola ampiana indray kah!

patrick2002 (05/06/2007 23:58:52)

misaotra anky pissoa ah!

pissoa (07/06/2007 21:07:42)

misaotra ny Reny isika :)

bemabe (26/06/2007 15:26:59)

tena artiste i pissoa,misaotra hoy ny Neninay

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 03/06/2007
Mpamangy : 2125
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Izy ilay Dada
Sahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro