I dada ... (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any i Dada

Raha tojo hafaliana fa tsy manan-kizarana,
Dia ny hira no alefa, mikalo ilay tanana.
Fa any mantsy i Dada, ilay miramiran-dava,
Mpiara-mihomehy, mampitsiky zany tava.

Rehefa te hiangoty nefa tsisy hifaharana,
Ny fo te hihanta, ny tena lavin-kavana,
Dia i Dada no tsaroana fa izy mahavatra
Manambitamby foana, mamihina eo an-tratra.

Rehefa tezitra aho, mahatsiaro misendoatra,
Matetika voabaikon'ity saina te hitroatra.
I Dada no antsoina fa izy mpampitony,
Ilay mpitondra hery handresena lonilony.

Raha mila herin-tsaina fa mafy ny atrehina,
Lany herim-po ka mitady izay mba tehina:
I Dada no tadidy fa izy tsy mba ketraka,
Na dia esoesoina, tsy tia mipetrapetraka.

Raha toa vaky saina fa tsy maintsy misafidy,
Fa fahatanorana no koloina ho sarobidy,
Dia i Dada no ventesina, f'izy no mpananatra,
Manantitrantitra hoe: "TAFITA no filamatra".

Pissoa (19 Jiona 2005)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
5906 2
Hevitra mandeha
toetra ( 11/11/2005 16:03)
Tena tiako ity tononkalo ity. Natao tamin'ny fo izy ity. Misaotra Pissoa !
andrysecabi ( 12/11/2005 16:06)
Masoandroko iry nania
Nefa mino aho raha ventesiko aminy ity kalonao ity
Dia handrakotra ahy landy izy ho hafanana voka-pitia
pissoa ( 13/11/2005 09:28)
toetra - misaotra betsaka eh.

andrysecabi - misaotra ihany koa, dia mirary faherezana sy fahombiazana ho anao Pissoa :)
pissoa ( 24/11/2005 06:36)
Nahitsy kely androany (24 nov 2005).
isaorana manokana ilay namana tsara toetra ;) amin'ny torohevitra sy fanitsiana nentiny!
toetra ( 24/11/2005 11:14)
Ianao no isaorana ry pissoa. Mafonja ity tononkalo ity !
raozigasy ( 13/12/2005 15:00)
Tiako be ity tononkalonao ity, ary namohafoha ny tsiahiko rehetra, i dada mantsy ny ahy tsy eo intsony,

Raha mbola teo izy dia nindramiko mihitsy ny tononkalonao hovakiako aminy

Saingy indrisy, tantara sisa

I dadako mantsy efa any ambany ...


Rindrim-bato, tafo vato
eny hatramin'ny fandriana
vato sisa hatoriana

Lamba rotika,nofo potika
Ilay vatanao natanjaka
lasa taolana nihanjaka

Anaranao, fiainanao
nivalona tsikelikely
tantara ho an'ny zafikely

Izany sisa voatanisa
Kanefa resaka ihany
fomba firesaky ny tany

Fa aminay ny Dadanay
dia mbola velona ihany
ary mbola mihanihany

Ao an-trano, tsy angano
fa tsaroanay lalandava
isak'izay misoka-bava

Raha mivavaka, tsy voaavaka
fa mbola miaraka aminay
toa mbola velona indray

Ny tonon-kira raha mihira
dia ny kalony ihany
no ventesinay hatrany

Rehefa i Neny, tsy miteny
ary lasana ambiroa
dia indro zahay fa taitra koa

Ka tsiaro , mifangaro
alahelo, fahabangana
lavaka izay mangotana

no iainany sy isainany
f'efa lasa tsy hody intsony
ilay vady tao am-pony

ka izay, izahay
vao mba tonga saina indray
pissoa ( 16/12/2005 17:44)
mirary faherezana sy fahombiazana hatrany!

dia tsara be le tononkalonao
pissoa ( 13/02/2006 16:30)
Misy hadinon'i Raozy ilay tonokalo, ny farany dia hoe

"Fa efa maty Dadanay"
pitoussy ( 10/01/2007 12:36)
Misaotra an'i Pissoa sy Raozy @ tononkalo
Naveriko novakiana indray androany(taona maro2 lasa androany ny nahafatesan'i dada :'( )

Pissoa, mampatsiahy t@ mbola fahavelon'i Dada ny tononkalonao

Raozy,tiako b le oe "fa aminay ny dadanay, dia mbola velona ihany..."

Mankasitraka anareo

pissoa ( 16/06/2007 03:09)
Pitou : misaotra indrindra ! dia mirary soa ho anjy hatrany :-*
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 14/07/2005 13:00
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215