I Dada Amiko (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada amiko ?

Ray mahafoy izay eny ampelan-tanany,
Mikaroka ombieny
Izay mety hahafaly sy hahatafita an-janany ;
Tsy miandry ahy hiteny.

Lehilahy tsy mba mamadika fa azo itokiana !
Fa na ho mafy na ho mora
Dia mitsangana eo anilako, mivimbina hafaliana
Misongona ny ankora.

Mitsangana ho vato, manda fihafenako
Raha arahim-pahavalo ;
Mivonona hanolotra ny sandry hiarenako
Raha lavo sy mimalo.

Ray tena mendrika izay valim-babena,
Sitraka lavareny,
Fisaorana miavosa, fitiavan-tsesehana !
Na dia tsy miteniteny.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fianakaviana
1693 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 19/06/2007 10:43)
bravo!
miela ( 21/06/2007 22:47)
marina ny voalazanao kanefa ny fitiavana asetrintsika azy ve mba mendrika izany ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 16/06/2007 20:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014