Iza no diso ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no diso?

Tsy mba nanana mpiahy fa vao terak'izy dia kamboty.
Nolavin-dray, tsy velon-dreny ka natory teny an-dalana.
Tsy mba nahazo tambitamby, tsy nahalala izay niangoty.
Tsy mba nisy nanabe, tsy mba nandia izay fianarana.

Niandrandra fahalalana, saingy indrisy tsy nomena.
Mba niandry ampiantranoina fa ny azy lanitra no tafo.
Raha mba te hisolo akanjo izy dia mangalatra eny an-tsena.
Mitsindroka no fivelomany, fako no foto-tsakafo.

Tsy nisy nahakasika azy izay fombafombam-panjakana.
Ny nanome ny anarany aza dia ireo mpiara-mikirimba.
Tsy azony an-tsaina akory ny fisian'izay lalana,
Na ny andalana hanasazy na ny hiaro azy tsy ho simba.

Tamin'ny toerana nalehany, nampangaina izy ho ratsy taiza.
Moa ve nefa mahagaga, f'iza moa no hanao izany.
Ny tontolo nifehy azy dia ny etraketraka sakaiza,
Izay kely azo teny an-dalana, izay no fara-tampom-pahalalany.

Izao izy an-tranomaizina, satria hono ... malaso,
Mpanakorontana ny tany, manjakazaka am'tsy azy.
Tena rakotra haratsiana, tsy mahay afa-tsy ankaso,
Sady izay tena masiaka, tsy mba tia mamazivazy.

Mendrika azy aloha ny sazy e,
Nefa izy irery ve no diso?

Pissoa (23 Jiona 2005)
--------
Rohy:
1203 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 23/06/2005 20:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1284