Lazao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ô,
Torio fitiavana aho,
Lazao aho fa tinao
Toy ny tamin'ny voalohany,
Ireny andro niatombohan'
Ny fifankatiavantsika ...
Volana baliaka.

Eo moa e! ataovy amiko
Ireo teny tena mamiko
Nandravahanao ny androko.
Ireny mantsy no masoandroko
Nomenao isa-maraina ...
Namelona ny aina.


Aza avelanao hiandry
Irery, tsy tafandry
Fa lasa saina foana.
Hisy ve fotoana ...
Hiverina eto indray
'Lay "isika" fahizay?

Malala ô,
Raha mbola misy ihany,
Izay tany am-ponao tany;
Dia izao no faniriako,
Izao no fiangaviako:
Meteza akia, lazao!
Torio fitiavana aho.

... Lazao hoe "Tiako ianao"

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1131 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 28/11/2006 08:43)
miala tsiny fa hisolo toerana azy aho eto :

"Tiako ianao Pissoa,
Deux mille bisous"

izay fa mazotoa
Malalason
pissoa ( 29/11/2006 17:30)
Hihihi - sotsa tompoko.
nikopol ( 21/12/2006 16:34)
ho an'i malala son ve io ? lolll
mbitaniavo ( 23/12/2006 11:08)
aza fady Malala son ve le malala eto sa iza?
pissoa ( 25/12/2006 16:25)
niko sy mbitaniavo : Tsia ! Tsy fantatro akory, na ny marina tsy misy hanolorana io tononkalo io fa mba mandany ranomainty fotsiny :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 05/08/2006 11:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143