Meteza ianao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meteza ianao

Nahoana no mifidy ny hitanisa fitarainana
Handemy ny fisainana?
Na minia tsy mahalala fa matoa "izao"
Dia mety ho noho ianao?
Nahona no lazaina fa azy manontolo
Ny toetra bobongolo?
Nefa koa ianao mety manana hadisoana
Ka mba mila mifona ...

Atanjaho ny saina, dia raiso ny andraikitra,
Fa aza avela hiraikitra
ao anatinao ny hoe noho izy ihany
ary izy hatrany
raha toa ka fahoriana no hitanao miavosa ...
Nefa ianao koa osa!
Ka meteza ianao hanaiky fa tsy ny ratsy no nifafatra
Raha toa ianao ka "lafatra".

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1126 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 05/09/2006 20:48)
Valin'ilay hoe "Rava" nosoratan'i Fiffi http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v44d1ec2d5a3cd
NyKanto ( 06/09/2006 05:52)
Mahaliana!

Ny Kanto
Malalason ( 06/09/2006 08:57)
m'saotra b d b snif
pissoa ( 07/09/2006 21:08)
Ny Kanto, misaotra.

Malalason, fa maninona no snif?
Fiffi ( 12/09/2006 17:34)
pissoa: tsara be akia le valiny an! bravooooo an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 05/09/2006 20:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142