Misaotra ry Andrarezina (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra ry Andrarezina


Ny peninao angamba no hitsahatra hanoratra
Ny ranomaintinao no hijanona hikoriana
Fa ny asa-soratrao mbola hitety vohitra
Hampiaina anay hatrany ny kantonao kindriana.

Na tsy ho hita intsony hoe iny ianao mamindra
Na tsy hisy intsony koa ny hoe "I Rado no mpanolotra"
Dia tsy takona tsy akory ilay ainganao indrindra
Fa manako ao an-tsaina, kalokalo imolotra.

Androany ianao voafingam-pahafatesana
Dia tomany anao ny maso, ny fo torovandrovana ;
Misaotra anao kanefa, misaotra ry Andrarezina
Noho ny asa soratrao mitoetra ho fahatsiarovana.


Pissoa (17 Sept 2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1447 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 18/09/2008 20:52)
Miara misaotra sy mankasitraka an'ilay Andrarezina isika.
Misaotra Pissoa
winner ( 27/11/2008 17:12)
Nahasolo hevitra tsy mbola voalazanay ho an'i Rado izany tonokalo izany ka miombona tanteraka @ zany izahay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 18/09/2008 08:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145