Nosiko ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahiny ...
Ianao ry Nosy sarobidy, sady tena nahasondriana
Niangaran-janahary, ka dia kanto aok'izany.
Ireo hiram-borona sy biby, irony hazo mahaliana,
Nidera anao fa tsara rary, nahasarika avy hatrany.

Ankehitriny ...
Ny tanety may, nodorana, irony ala nolaniana,
Ireo karazam-biby indrisy, mihavitsy andro aman'alina.
Efa ho ritra, toratorana ireo rano kely nikoriana,
Soa aloha fa mbola misy irony kintana an'alina.

Soa koa fa ...
Mbola misy ireo tsy sasatra, na tsy mora ny adidy,
Tsy mety kivy fa mikiry, manompo anao isan' andro.
Miaro sady mampafantatra ireo harenao sarobidy
Miezaka ny mitahiry, mikolokolo sy mitandro.

Fahiny ...
Ny olona tao an-tanana, tsy mba nandry andriran'antsy,
Firaisan-kina, Fahamarinana no lalana notoavina.
Nanjaka ny fifanajana, iray aina, iray vatsy,
Fihavanana sy fitsimbinana no nasandratra, nololohavina.

Ankehitriny ...
Mifandripaka ny olona, korontan-dava sisa no hita,
Toa tsy mety leon'ny miady: ady lova, ady seza ...
Dia zary nofy mitambolana ilay ianao mba hotafita,
Ireo soatoavina kiady, nosomparana tsy hateza.

Asa raha ...
Mba hiova ireo taranaka, ka ho tena olon-kendry,
Tsy ho taha-dray sy reny ka hanimba Firenena.
Hahay hijoro, hifanaraka: fandrosoana indray ho tendry,
Tsy an-kabary lavareny, fa amin'ny asa hifanekena.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fiainana - Ady
1700 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 05/11/2005 11:57)
tsara ny tononkalonao fa tohizo!manantena isika fa hiova tokoa
pissoa ( 15/11/2005 07:29)
misaotra an'i fiaritiana.
dia mirary soa e!
raozigasy ( 13/12/2005 14:51)
Mahafinaritra ahy ny tononkalonao, nitovy fijery angamba isika tamin'iny indray mitoraka iny,

Samy nahatsiaro ny fahiny ary samy te hibanjina ny ho avin'ny firenentsika !

Na hampitanjahana aza irony tendrombohitrao,
Na doroina ho mainty koa ary tsy ho maitso intsony,
Na kapaina sy fongorina ireo ala miaro anao,
Ka potehina avokoa, ireo haingonao tsy hamony
Dia tanindrazako ianao

Eny, na dia tany mihotsaka sy renirano maina kina,
Eny na dia “lavaka” aza, no sarisary mba nasolo
‘ty tany zary tanin’ady, nilaozan’aina sy mangina.
Fa very mantsy ireo harena, sy hatsaran’ny tontolo
Dia Gasikarako ianao

Ny hoavin’ ny taranaka, rahampitso hanao ahoana?
Handova tany maina ve! sa hatsiaka tsy ho laitra
Sa hafanana hafahafa, Sa toeram-babangoana!
Sa orana mikija lava, izay isika vao ho taitra ?
Sao dia tara loatra ianao

Hevero anefa ny taloha, saino ange ireo fahiny,
Fa velom-bolo ny voahary, izay jinery maitso mavana
Irony “Ntaolo” mantsy ve moa mba nanana izay tsiny?
Loko tokana ny azy dia ny kanton’ilay Avana
Koa mivonona izao

Noho izany, hiezaka aho, hitaona antsika mianakavy
Adidiko, adidinao, ndao jereo ny tanindrazana
O! ry Malagasy havana, ndao banjino ny ho avy
Aza ela intsony ianao sao ny tanintsika ho ngazana
O ! ry Malagasy ndao

Antsoina ianao ry ambanilanitra, ry vahoaka manontolo
Miandry anao ny taninao, ary tena manantena
Fa raha Malagasy ianao, ka mivonona hikolo
Tsy ho ela dia ho maitso indray, ilay tarehim-pirenena
Ndeha vonjeo ny Nosinao.
pissoa ( 16/12/2005 17:49)
tsara eeeeee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 01/11/2005 07:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141