Ny hany vavako ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiko ...

Ireo nataoko ho fahavaloko;
Ilay akany tsy atakaloko;
Ireo nisompatra ny nofiko;
Ireo nijoro mba ho tokiko;
Ireo sahy miseho ho mpankahala;
Ny fitiavako an'i Lala;
Ireo nigafy tsy an-kiera;
Ireo namako an-tserasera;
Tsy misy miafina Aminao ...

Ny olana izay mifandrombaka;
Ny hafaliako mba nitobaka;
Ireny tebitebin-tsaiko;
Ity fianarana lalaiko;
Ny alahelo tsy voateliko;
Hatramin'ny tsiambarateloko;
Ny anio mirakitra ny ditrako;
Sy ny ampitso mbola tsy hitako;
Tsy misy miafina Aminao ...

Tsy misy miafina Aminao
Eny, ny amin'izao tontolo izao.

Nefa ...

Raha hivavaka aho androany,
Dia mbola hotanisaiko ihany.
Hitalahoako fihavaozana,
Ka ny ratsy no ilaozana.
Iangaviako fitahiana,
Ho foana ny ady, fijaliana.
Izay sitrakao no ho tompon-daka,
Ny Fitiavanao no hanjaka.

Sanatria tsy fahazarako,
Fa izay no hany vavako.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 04/03/2006 13:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151