Raha Sendra (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra

Raha sendra tafahoatra, mandoro ilay masoandro
Ka mila hitanondrika ilay raoziko tanora
Dia iangaviako ianao, aza angatahina andro,
Fa mba alokalofy hitombo moramora.

Raha sendra ka mijijy ny orana, vaventy
Ka mila ho torotoro ny raviny malefaka
Dia iangaviako ianao, aza avela hirenty
An’ivom-paharavana ! Arovy tsy hitofezaka.

Raha sendra ka mitsoka, mifofo izany rivotra
Ka mila hampiongotra ny fakany malia
Dia ianagaviako ianao, totofy, aleo hodifotra
Ampio ho mafy orina ... hiandrandra ny doria.



Pissoa (03 Marsa 2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1760 2
Hevitra mandeha
sazykely ( 09/04/2008 07:58)
raha sendra mitanondrika na maloka ny endriko
dia iangaviako ianao mb
benasy ( 18/12/2008 08:07)
Tsy kisendra no tsy zara.
Nefa koa tsy tonga ho azy.
Fa ny "Ianao" no singan-tsarin'
Ny tontolo...leo ady !
Solofomanjato
pissoa ( 02/01/2009 11:45)
Mankasitraka Solofomanjato.

Sazykely hi hi hi
Malita ( 08/10/2009 06:51)
Lalinabe fona ny tonokalo soratan'i Pissoa
raozigasy ( 28/07/2010 00:24)
Raozinao

Raha tonga ny hafanana, k’hidanika ny andro
Ilay raozinao tanora, tsy avelako ho kina
Ataoko tsara aloka,tsy ho azon’ny masoandro
Ka ho soa ny fivelarany, rehefa ao aoriana

Raha mijoy sy avy ny orana, na koa hisy tselatra
Na kotroka migodona, na rotsaka havandra
Ilay raozinao eloiko, hahafahany mivelatra
Hibanjina ilay avana ary koa hiandrandra

Raha mifofo izany rivotra, ka tonga ny tadio
Izaho tsy hiova lasy, fa hijoro ho mandany
Ka na inona mitranga, izao no tadidio
Ilay raozinao arovako, tsy ilako sandany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 04/03/2008 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767