Salanitra (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika mbola hananihany,
Hanaraby, hamazivazy;
Kay ny fo efa no tomany,
Tsy mety fa hanaraka azy.

Saika mbola hamilafila,
Na hampivelatra safidy;
Saika hamaly hoe tsy mila,
Fa ilay fo nikiribiby.

Saika hampiseho ambo,
Te hiseho angaha hoe matotra?
Kanjo tapaka ny rambo,
F'efa babony, voafatotra.

Saika hamela azy ho irery,
Hanganohano, ho velo-tsetra.
Nefa efa tsy afa-niery,
Fa tia azy tsisy fetra.

Dia nanaiky hiara-dia,
Tezerany sy ampiantainy.
Hizarany ilay fitia,
Mitondra koa ny adin-tsainy.

Salanitra

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1145 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 30/05/2005 20:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149