Samy Gasy (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy very tsy ho Gasy izany,
Na teto¹ foana ianao na tany².
Ka aza dia mifanatsafa,
Tsy aleo ovaina ve ny tafa?

Nahoana raha mifampizara
Irony traikefa tsara?
Ny Firaisan-kina hono hery,
K'aza ilaozana mifampijery.

Atambaro ny herin-tsaina,
Ndeha i Gasikara no hatsaraina.
Atambaro ny herin-tsandry,
Fa i Gasikara sasa-miandry.

Pissoa

----

¹ : teto = Madagasikara
² : tany = ivelan'i Madagasikara
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1524 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 14/02/2006 06:18)
Hevitra naseho tao amin'ny dinika momba ny fiaraha-monina "Mahafaly foana na ny mahasosotra aza. hahaha!". Izany hoe nisy resaka lava teo alohany. Ataoko eto fa eto no toerana hitako hitahirizana azy sy mora hitako! Hihihi
hery ( 19/02/2006 09:34)
:) manja be
pissoa ( 23/03/2006 06:03)
:) Misaotra be
raozigasy ( 28/07/2010 00:29)
Na ho fotsy fihodirana, fa notsatsoin’ny hatsiaka
Na hiteny teny hafa, noho ny fiampitana riaka
Na hiaina fivoarana, noho izato fandrosoana
Dia Malagasy foana ianao, izany tsy azonao soloina

Na ho vazaha ny taratasy, ka ny anaranao vaovao
Na ho ary fomba be mihitsy , ny kojakojan-tranonao
Na hiadana am-pitaovana, noho ireo karazan’hai-tao
Dia tsarovy foana foana fa mbola Malagasy ianao

Na ho vazaha ny namanao, any am-piasana sy birao
Na ho vazaha ny serasera sy ireo fifandraisanao
Na ho vazaha ny fangatahana ao anaty vavakao
Dia tadidio fa Malagasy ny ra mikoriana anatinao

Koa ho anao Ramalagasy, izay nandao ny firenena
Izay rehetra mila ravin’ahitra, noho ny adidy izay nekena
Dia tsotra ny hafatra sy teny, ampitaina sy zaraina
Malagasy foana ianao, raha mbola velona sy miaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 14/02/2006 06:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103