Soa Ianao (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa misy anao iny, nomeny ahy ho fihantako
Ho sakaiza mahatoky, namana afaka hitafako ;
Ka na ny ketriky ny foko, na ny rebiky ny saiko
Samy azoko zaraina aminao, tsy mila baiko.

Soa fa misy anao iny, mba nanova ny fijeriko
Hanandratra ny fahalavoko ho apinga, zary heriko.
Anao ny tanana nanala irony geja amam-patorako
Ka nanolotra ahy ny sabatra hanamontsana ny olako.


Soa fa misy anao iny, mijoro ho tena mpankahery
Sahy mibedy tsotra izao ity saiko teritery ;
Soa ianao fa tsy nitsitsy nandatsaka ny ranomasoko
Hanasako indray anio ny fiainana efa vasobasoko.

Soa mihitsy ianao iny.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1397 0
Hevitra mandeha
Mahefakely ( 04/09/2007 07:32)
mahafinaritra ny tononkalonao, kanto fa tohizo mankasitraka an'in Pissoa eh!
Ryana ( 04/09/2007 10:35)
Tsara be!
Ryana
pissoa ( 14/09/2007 09:50)
Mankasitraka ny mpamaky :)
la ( 02/10/2007 12:03)
Tsara e!! be inspiration enao an! tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 03/09/2007 23:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015