Teo (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo

Teo no niandrandrany izay mba teny maminy,
Teo no nitadiavany angola, fahasambarana ;
Teo no nikatsahany izay mety ho tambitambiny
Teo no nantenainy handrenesana "fitiavana".

Teo no niandrasany ny tsiky fanaperana,
Teo no fitarafany ny hakanton'ny tontolony ;
Teo no noheveriny tsy halalany fahanterana,
Teo no nofinofy mba filasian'ny molony.

Saingy teo, indrisy, no nandemy ny fisainany
Teo no tsy nampoiziny hanamaloka ny androny
Teo no nisantarany ny tena adim-piainany
Satria avy eo ny teny nandotika ny hambony.

Pissoa
--------
Rohy:
1313 0
Hevitra mandeha
nikopol ( 29/03/2007 14:10)
taiza tsara moa le izy fa tsy hitako ilay tanana nanondro ?
pissoa ( 29/03/2007 20:12)
atao sary ? hihi
lanto ( 03/04/2007 08:37)
Dia teo izy no noraisina :-D
pissoa ( 05/04/2007 15:02)
hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 26/03/2007 20:39
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0779